Eo amin’ny sehatra famoronana asa ho an’ny olona sahirana dia nosokafan-dRamatoa Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy ny Taom-pampianarana teny Anglisy Amerikana 2011 ho tohin’ny asa tamin’ny 2010 izay namoahana ny andiany “KINTA-MAMIRATR’I GASIKARA” nianatra nandritra ny 04 volana tao amin’ny Commune Ivato Firaisana, Commune Ampitantafika, Commune Tanjombato, Commune Andoharanofotsy.
Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa eo emin’ny FMOS ENGLISH CLUB HOPE (Fikambanana Miahy Olona Sahirana) sy ny Direction de la Réinsertion Sociale et Professionnelle (Foibem-pitondrana nyFampiatiana ara-piaraha-monina sy araka asa mendrika - matihanina) (DRSP)
Nahitana fahombiazana tena azo tsapain-tanana ny fampianarana satria maro tamin’ireo mpianatra nivoaka tao no nahita asa tany amin’ny Hotely lehibe fandraisam-bahiny, bagagiste eny amin’ny Aéroport Ivato, chauffeur-guide, Guide touristique, sns…)
Hatramin’ny niforonan’ny Fikambanana FMOS ENGLISH CLUB HOPE dia mahatratra 4000 ireo mpianatra nanaraka ity fampianarana ity ka ny fanohanan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy tarihin-dRamatoa Ministra NADINE RAMAROSON izay tonga mihitsy eny anivon’ny Fokontany rehetra eny mijery akaiky izay vahaolana mahakasika ny fianam-bahoaka mba ho fanovàna marina no ho hita ato amin’ny Repoblika faha efatra, ka anisan’izany ny famoronana asa amin’ny alalan’ny fianarana teny vahiny izay manampy betsaka eo amin’ny famoronana sy fitadiavana asa mahavelona sady Matihanina ho an’ny vahoaka.
Tsy hijanona eto Antananarivo sy ny manodidina ihany ity fampianarana ity fa haparitaka any amin’ny faritra hafa toa ny any Maevatanana, Mahajanga, Antsirabe, Moramanga izay hisokatra atsy ho atsy.
Ho fanohanana ny ezaka ataon’ny Fikambanana dia nanome vola 1.000.000 Ariary ny Minisitry ny Mponina ho fampiroboroboana sy ho Fampitaovana izany fianarana teny Aglisy amerikana izany sady ho famporisihina amin’ny famoronana asa mba hananan’ny tanora Malagasy ny ho avy mamiratra fa tsy hiankin-doha intsony.
Ankoatra io lelavola io dia nanome savony 06 baoritra koa Ramatoa Minisitry ny Mponina ho enti-miainga (Fonds de démarrage) amin’ny fitadiavam-bolan’ireo mpianatra hanohanana ireo tetik’asa toy ny zaitra, asa Tanana madinika,sns…
Ezaka lehibe no ataon’ny Ministeran’ny Mponina miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy sy ireo vahoaka sahirana marobe amin’ny alalan’ny fifanomezan-tanana, fifandrimbonana ary firaisan-kina ka tsy hiandrasana fanampiana hafa fa miainga amin’ny herin’ny tena aloha araka ny kabarin’ny Minisitra tamin’ny teny Anglisy ( Marihina fa mahafehy tenim-pirenena vahiny 06 Ramatoa Minisitra ankoatra ny Teny Malagasy).
Ny Tale : RAVELOSAONA Bernard Directeur de la Réinsertion Sociale et Professionnelle
Ny Président FMOS sady mpampianatra : RAKOTOMALALA Liva Manitra
Ny Equipe DRSP