ꜰɪᴀʀᴀʜᴀᴍɪᴀꜱᴀ ᴇᴏ ᴀᴍɪɴ’ɴy ᴍɪɴɪꜱᴛᴇʀᴀɴ’ɴy ᴍᴩᴏɴɪɴᴀ ꜱy ɴy ᴄᴀᴛʜᴏʟɪᴄ ʀᴇʟɪᴇꜰ ꜱᴇʀᴠɪᴄᴇꜱ (ᴄʀꜱ)
ꜰɪᴀʀᴀʜᴀᴍɪᴀꜱᴀ ᴇᴏ ᴀᴍɪɴ’ɴy ᴍɪɴɪꜱᴛᴇʀᴀɴ’ɴy ᴍᴩᴏɴɪɴᴀ ꜱy ɴy ᴄᴀᴛʜᴏʟɪᴄ ʀᴇʟɪᴇꜰ ꜱᴇʀᴠɪᴄᴇꜱ (ᴄʀꜱ)
Ramatoa FAJARDO Carla Solontena Maharitry ny Catholic Relief Services (CRS) dia noraisan-dRamatoa Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsôsialy ary ny Fampiroboroboina ny Vehivavy Ramatoa MICHELLE Bavy Angelica teto amin’ny toeram-piasany teto Ambohijatovo. Fihaonana nahafahan-dRamatoa Minisitra namakafaka ny antony mahazavadehibe ireo fanampiana ny mahaolona sy ny fampandrosoana ny mahaolona eto Madagasikara na eo amin’ny lafiny fiahiana ara-tsôsialy izany na eo amin’ny fampivoarana ny vehivavy. Nandritry ny fihaonana kosa Ramatoa Solontenana Maharitry ny CRS dia namelabelatra ireo tetikasa efa an-dalana sy ny efa vita ary koa ireo mbola eo am-panombohana tahaka ny Tetikasa MAHARO; eo an-dalam-panombohana any amin’ny Faritra Atsimo. Fihaonana mahomby raha mitaha amin’ny toe-javatra miseho any Atsimon’ny Nosy noho ny Kere. Hikaondoha maika ny Teknisianina roa tonta mba hahafahana mifampizara ireo antontanisa ary koa handrafetana ny alimanaka hanaovana ny hetsika rehetra any Atsimon’ny Nosy.
—————————————————————————–
ᴄᴏᴏᴩᴇʀᴀᴛɪᴏɴ ᴇɴᴛʀᴇ ʟᴇ ᴍɪɴɪꜱᴛèʀᴇ ᴅᴇ ʟᴀ ᴩᴏᴩᴜʟᴀᴛɪᴏɴ ᴇᴛ ʟᴇ ᴄᴀᴛʜᴏʟɪᴄ ʀᴇʟɪᴇꜰ ꜱᴇʀᴠɪᴄᴇꜱ (ᴄʀꜱ)
Madame FAJARDO Carla Représentante Résidante du Catholic Relief Services a été reçu par Madame Le Ministre de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme MICHELLE Bavy Angelica. C’était l’occasion pour Madame le Ministre d’insister l’importance des actions humanitaires et de développement humain à Madagascar que ce soit en matière de Protection Sociale ou de la Promotion de la Femme. La représentante du CRS a pour sa part présentée les projets existants opérés à Madagascar actuellement, entre autres le Projet Maharo qui est en phase de démarrage sur la partie Sud de Madagascar. C’était une rencontre fructueuse face à la situation qui prévaut dans le Sud KERE. Les Techniciens des deux parties vont se réunir incessamment pour s’échanger des données importantes et de préparer ensemble un calendrier des actions Sud pour éviter tout chevauchement de programme.