𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐧𝐢𝐚 | 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐚𝐭𝐨𝐟𝐢𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐧𝐢𝐚 | 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐚𝐭𝐨𝐟𝐢𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚
Nidina ifotony nisolo tena an-dRamatoa Minisitra SOAFILIRA Princia, nijery ireo mpifindra monina ao Maroanakomby, Distrikan’Ambatofinandrahana ny Fitalevam-paritry ny Mponina ao Amoron’i Mania.
Tokantrano miisa 150 no notolorana fanampiana toy ny fitaovana sy masomboly ary zanakazo fihinamboa. Tsy diso anjara ireo fikambanam-behivavy tao an-toerana izay nisitraka fitaovana ho fanampiana azy ireo.
Nisy ihany koa ny fampiofanana mahakasika ny miralenta sy ny fahaiza-mitantana ho an’ireo « Jeune entreprise Rurale »(JER) izay niarahana tamin’ny Projermo narahina fanentana mahakasika ireo tolotra misy ao amin’ny Minisitera tao amin’ny Kaominina Amboropotsy sy Mandrosonoro.