𝐓𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐨𝐲𝐚𝐮𝐦𝐞-𝐔𝐧𝐢
𝐓𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐨𝐲𝐚𝐮𝐦𝐞-𝐔𝐧𝐢
Notanterahina teny amin’ny Biraon’ny Programme Alimentaire Mondial Ambatoroka ny fampahafantarana ny famatsiam-bola mitentina 3.000.000 Livre Sterling avy amin’ny Royaume-Uni amin’ny alalan’ny « Foreign, Commonwealth and Development Office na FCDO ».
Izany dia ho entina hanohanana ankohonana tena sahirana miisa 100.000 any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana ary Anosy mba hafahan’izy ireo miatrika ny vanim-potoana main-tany.
Ny Minisiteran’ny Mponina sy ny PAM no misahana ny fandrindrana ny fitsinjarana ny fanampiana any amin’ireo mpisitraka amin’ny alalan’ny tosika ara-bola.
Nanatrika ny fotoana Ambasadoaron’ny Royaume-Uni David Ashley , ny Solontena maharitry ny PAM Pasqualine Disirio sy ny Solontena maharitry ny PAM teo aloha Aliou Diongue ary ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy RIVOMANANA Tsarahita Ghisbert izay nisolo-tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.