𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 | 𝐀𝐤𝐚𝐧𝐲 𝐈𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐌𝐢𝐯𝐨𝐲 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐢𝐳𝐚𝐭𝐨
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 | 𝐀𝐤𝐚𝐧𝐲 𝐈𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐌𝐢𝐯𝐨𝐲 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐢𝐳𝐚𝐭𝐨
TSY MISY NA OLONA NA DISTRIKA HO ADINO INTSONY IZAO HOY NY FILOHA RAJOELINA.
Nandritry ny fihibohana dia nihisa 250 ireo olona tsy nanakialofana no nisitraka fiofanana ary ny Alakamisy faha 14/10/21 no nanolorana ny mari-pahaizana ho azy ireo raha nanaraka fiofanana momba ny fambolena sy fiompiana, fikarakarana sy fanodinana ny hoditra, fandrahoana sakafo ary fitaizana zaza izy ireo nandritra ny 2 taona.
Tanjona ny hananan’izy ireo asa sy fahaleovantena mba tsy hiverenana andalam-be intsony.
Amin’ny maha Minisitera mpiahy ny Minisitera ny Mponina dia tonga nanome voninahitra ny fotoana i Ramatoa SOAFILIRA Princia, Minisitry ny Mponina izay nitronin’ ny Talen’ny Kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika niaraka tamin’ireo Ministra mpikambana ao amin’ny governemanta sy ireo mpikambana ao amin’ny Fondation AXIAN.