𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨𝐲 | 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐯𝐨𝐦𝐛𝐞
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨𝐲 | 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐯𝐨𝐦𝐛𝐞
Mitohy hatrany ny asa sosialim-bahoaka manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo ao Androy ka tokatrano miisa 700 ao amin’ny fokontany Berary no nizarana sakafo sy menaka ary « plumpy sup » ho an’ireo vehivavy mampinono sy ireo zaza marefo. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny PAM.
Velom-pisaorana an-dRamatoa SOAFILIRA Princia, Ministry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny VEHIVAVY ireo Mponina tao Berary amin’izao fitsinjovany azy ireo izao.