π ππ«π’ππ«π ππ§ππ«π¨π² | π ππ§π€ππ₯ππ³ππ§π π§π² ππ§ππ«π¨ π’π«ππ’π¬ππ¦-π©π’π«ππ§ππ§π π‘π¨ ππ§’π§π² πππ¦π©π’π‘ππ§ππ§π π§π² π₯π¨π³π π¬π² π§π² πππ§ππ’π§ππ¨π§ππ¨π³π ππ¨ ππ¬π’π‘π¨π¦ππ
π
ππ«π’ππ«π ππ§ππ«π¨π² | π
ππ§π€ππ₯ππ³ππ§π π§π² ππ§ππ«π¨ π’π«ππ’π¬ππ¦-π©π’π«ππ§ππ§π π‘π¨ ππ§’π§π² πππ¦π©π’π‘ππ§ππ§π π§π² π₯π¨π³π π¬π² π§π² πππ§ππ’π§ππ¨π§ππ¨π³π ππ¨ ππ¬π’π‘π¨π¦ππ
Notanterahana tao Tsihombe ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fampihenana ny loza sy ny tandindondoza. Nitarika izany ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian sy ireo delegasiona niaraka taminy Izay nahitana ny Minisitry ny Rano, ny Minisitry ny Jono, ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana ary ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila. Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia tamin’izany ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina.
Nohamafisin’ny Praiminisitra nandritra ny lahateniny fa andraikitry ny rehetra ny manampy sy mitondra tan-tsoroka ho an’ny mpiara-belona mba hampihena ny loza sy ny tandindon-doza ka hisian’ny fampandrosoana maharitra.