𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨𝐲 | 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐅𝐈𝐀𝐕𝐎𝐓𝐀 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐤𝐢𝐥𝐲 ….
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨𝐲 | 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐅𝐈𝐀𝐕𝐎𝐓𝐀 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐤𝐢𝐥𝐲
Fianakaviana marefo ara-pivelomana miisa 2 856 avy amin’ny fokontany 8 ao Bekily no misitraka ny tetikasa FIAVOTA. Tan-tsoroka avy amin’ny Fanjakana Malagasy izay arindran’ny Minisiteran’ny Mponina ary tanterahin’ny FID.
Tonga nanamarika izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ny Minisitry ny Fitaterana, ny Minisitry ny Rano, ny Minisitry ny Jono, ny Minisitry ny Mponina ary ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria izay notronin’ireo Tomponandraikitra sivily sy miaramila ao an-toerana.
Naneho ny fankasitrahana feno ho an’ny Filoham-pirenena izay naniraka ireto solon-tenam-panjakana ireto ireo rehetra nandray fitenena ary nanamafy fa sambany tamin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy Praiminisitra notronin’ny Minisitra maro niara-tonga sy nanatanteraka asa tao Bekily.