π ππ«π’ππ«π ππ§π¨π¬π² – ππ§ππ«π¨π² – πππ¬π’π¦π¨ ππ§ππ«ππππ§π | π π’ππ’π§ππ§π π’ππ¨ππ¨π§π² π‘π¨ πππ§πππ¦π’π§ππ§π π§π² π©π¨π₯π’ππ’π€ππ§’π§π² ππ’ππ‘π’ππ§π π¬π¨π¬π’ππ₯π²
π
ππ«π’ππ«π ππ§π¨π¬π² – ππ§ππ«π¨π² – πππ¬π’π¦π¨ ππ§ππ«ππππ§π | π
π’ππ’π§ππ§π π’ππ¨ππ¨π§π² π‘π¨ πππ§πππ¦π’π§ππ§π π§π² π©π¨π₯π’ππ’π€ππ§’π§π² ππ’ππ‘π’ππ§π π¬π¨π¬π’ππ₯π²
Nanatanteraka fidinana ifotony tao Taolagnaro, Amboasary Atsimo, Ambovombe, Beloha, Bekily ary Toliara ny Tale Jeneraly misahana ny Fiahiana ara-tSosialy ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina Rivomanana Tsarahita Ghisbert.
Nandritra izany no nihaonany tamin’ireo tomponandraikitra misahana ny Fiahiana ara-tSosialy ka nizarany ny fomba fiasa vaovao izay mifototra amin’ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra izay miteraka vokatra tsara eo amin’ny asa atao.
Velom-pisaorana ireo mpisehatra any ifotony satria sambany no nisy fifanakalozana mivantana toy izao ary samy nampanantena vokatra azo tsapain-tanana mialohan’ny faran’ity taona ity ny andaniny sy ny ankilany.