𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲 | 𝐓𝐚𝐨𝐥𝐚𝐠𝐧𝐚𝐫𝐨, 𝐏𝐋𝐀𝐍 𝐄𝐌𝐄𝐑𝐆𝐄𝐍𝐂𝐄 𝐒𝐔𝐃 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲 | 𝐓𝐚𝐨𝐥𝐚𝐠𝐧𝐚𝐫𝐨
𝐏𝐋𝐀𝐍 𝐄𝐌𝐄𝐑𝐆𝐄𝐍𝐂𝐄 𝐒𝐔𝐃 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑
Lohahevitra: Sosialy mirindra sy fampandrosoana ny mahaolona
Fandraisana anjara amin’ny fanentanana amin’ny fanaovana ny « Planning Familial » na Fandrindram-piterahana nataon’ny Minisiteran’ny Mponina ho entina mandresy ny fahantrana ka ho apetraka ny rantsana mikasika izany eny anivon’ny CRNM.
Ny Vehivavy no maro an’isa any Atsimo.
Tanjona:
– Vehivavy misitraka ny zony feno amin’ny fahasalamana ara-pananahana ka hanana fasahiana hijoro amin’izany.
– Famerana ny fiterahana alohan’ny fotoana na koa vokatry ny herisetra
– Fampiofanana ireo vehivavy hialana amin’ny vohoka tsy nirina
– Fanenana ny fandosirana adidy ataon’ireo ray niteraka
– Fanentanana ireo lehilahy handresy lahatra ny vadiny hanao fanabeazana aizana
Ireo sokajin’olona kendrena amin’izany :
– ny vehivavy sy ny tovovavy (15 ka hatramin’ny 35 taona),
– « Leader d’opinions »,
– ny Manampahefana eny ifotony
– ireo Ray aman-dreny ara-panahy sy ara-drazana.
Ny kolontsaina misy any Atsimo dia isany mampahazo vahana ny fiterahana tsy voalanjalanja ka ilàna ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientan’ny tsirairay sy ny tompon’andraikitra isan-tokony ny fanatontosana izany.
Hanao « Caravane de Sensibilisation » ny Minisiteran’ny Mponina amin’ireo Distrika 8 anatin’ny Faritra Anosy sy Androy ary Distrikan’Ampanihy ho fanombohana ny asa. Ho tratrarina ny tanjona ho amin’ny fampiharana ny fandrindram-piterahana.