π ππ«π’ππ«π πππ¬π’π¦π¨ ππ§ππ«ππππ§π | π π’ππ¬π’ππ’π‘ππ§π π§π² ππ¨π€π¨π§πππ§π² πππ§ππ§πππ―π ππ¨ πππ³ππ‘π
π
ππ«π’ππ«π πππ¬π’π¦π¨ ππ§ππ«ππππ§π | π
π’ππ¬π’ππ’π‘ππ§π π§π² ππ¨π€π¨π§πππ§π² πππ§ππ§πππ―π ππ¨ πππ³ππ‘π
Ankaravoana no nandraisan’ny Mponina ao Tanandava ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’i Praiminisitra NTSAY Christian.
Nandritra ny fitsidihana no nanombohana ny fizarana tosika ara-bola Vatsin’Ankohonana ho an’ireo tokatrano marefo izay natao hampivoatra ny maha-olona. Ao anatin’ny tetikasa Vatsin’Ankohonana dia beazina sy torona hevitra ireo mpisitraka mba hafahany manana ny fiharetana manoloana ireo karazana olana mety hitranga aminy.
Ny Vatsin’Ankohonana dia tosika ara-bola avy amin’ny Governemanta Malagasy, eo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny Mponina ary tanterahin’ny FID.
Maro amin’ireo mpisitraka no nijoro ho vavolombelona fa nahafahana nampiana-janaka sy nampitombo ny fidiram-bolany ity tetikasa ity ka velom-pisaorana izy ireo.
Nofaranana tamin’ny fitsidihana ny zava-bitan’ireo mpisitraka ny fotoana ka fikambanam-behivavy miisa 3 izay mpandala ny VOAMAMI no notoloran’ny Praiminisitra NTSAY Christian lelavola 500 000Ar avy ho fanohanana ny tahirim-bolan’izy ireo sy ho famporisihina ny ezaka efa nataony.