π ππ«π’ππ«π πππ¬π’π¦π¨ ππ§ππ«ππππ§π | πππ§π€ππ₯ππ³ππ’π§π ππ¦π’π§’π§π² ππ¨π¦ππ π¨ππ’π¬π’ππ₯π² πππ¨ ππ¨π₯π’ππ«π π§π² ππ§ππ«π¨ π’π«ππ’π¬ππ¦-π©π’π«ππ§ππ§π π‘π¨ ππ§’π§π² ππ¨π€π’π¨π₯π¨π§π
π
ππ«π’ππ«π πππ¬π’π¦π¨ ππ§ππ«ππππ§π | πππ§π€ππ₯ππ³ππ’π§π ππ¦π’π§’π§π² ππ¨π¦ππ π¨ππ’π¬π’ππ₯π² πππ¨ ππ¨π₯π’ππ«π π§π² ππ§ππ«π¨ π’π«ππ’π¬ππ¦-π©π’π«ππ§ππ§π π‘π¨ ππ§’π§π² ππ¨π€π’π¨π₯π¨π§π
Tanteraka tao amin’ny Kianja mitafon’ny Toliara ny fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zokiolona.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, ny Minisitry ny Fitaterana, ny Minisitry ny Rano, ny Minisitry ny Jono, ny Minisitry ny Mponina izay samy avy eto Toliara avikoa aty ny Sekreteram-panjakana eo anivonβny Ministeranβny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria.
Nifandimby ny fandraisam-pitenenan’ireo tomponandraikitra maro eto Toliara ary samy nanamafy ny hasin’ny Zokiolona izay loharano nipoirana ka tsy maintsy harovana ny zony.
Nanamafy ihany koa ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ny Praiminisitra NTSAY Christian fa ho atao laharam-pahamehana ny fananganana toerana manokana ho an’ireo Zokiolona manerana ny Nosy ary ho jerena ihany koa ny famoahana ny karatra maitso.
Nofaranana tamin’ny fizarana sakafo sy fitsidihana ireo trano heva nanaovana fitiliana diabeta sy fizaham-pahasalamana maimaim-poana ny fotoana.
Ny tapany hariva kosa dia niara-nifety tamin’ireo Manam-pahefana teo amin’ny Kianja Ankilisoafilira ny vahoakan’ny Toliara.