𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 | 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 | 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐟𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚
Taorian’ny hain-trano tao Farafangana dia tonga any an-toerana ny Praiminisitry NTSAY Christian sy ny Minisitry ny Mponina Rtoa SOAFILIRA Princia izay nisolo-tena ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ka nitondra ny fanampiana avy amin’ny Filoham-pirenena ho an’ireo vahoaka niharamboina izay notsinjaraina toy izao isaky ny tokantrano izay mihisa 882 :
Vary 25 kg, patte 500 g, sira 1kg, savony 800 g, vilany N°40, zinga iray, seau iray, botofotsy iray, zinga iray sy jerican 5L iray ary tôle 10 takelaka.
Anisan’ny lahatenin’ny Praiministra NTSAY Christian ny fanamafisana ny fanaovana asa ho an’ny vahoaka amin’ny alalan’ny ACT na « Argent Contre Travail » izay natao mba anomezana asa ireo vahoaka niharamboina, izany dia tanterahina miaraka amin’ny FID.
Hitohy hatrany Vangaindrano ny fitsidihana izay misy vahoaka niharam-boina.
Tanterahina ilay filamatra hoe TSY MISY DISTRIKA ATAO HADINO INTSONY ETO MADAGASIKARA