𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐈𝐓𝐀𝐒𝐘 | 𝐌𝐢𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐈𝐓𝐀𝐒𝐘 | 𝐌𝐢𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨
Mitohy ny fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Zokiolona izay karakarain’ny Fitalevam-paritry ny Mponina ao Miarinarivo ITASY.
Fizaham-pahasalamana maimaimpoana sy fanomezana Vitamines, fanehoan’ireo mpianatra fankasitrahana sy fanajana ny Zokiolona ary fiaraha-misakafo no nentina nanamarika izany.
Ny lanonana ofisialy dia notarihin’ny Solontenan’ny Governoran’ny Faritra Itasy izay nanome lelavola ho an’ny Fikambanana FIZOMIA. Tamin’izany ihany koa no nanoloran’ny CNaPS lelavola ho an’i Neny Ipety izay Zokiolona vehivavy feno 100 taona avy ao Ankonabe Analavory.
« Tsy vanim-potoana hanilihana ny Zokiolona akory ny fahanterana »