𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 | 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 | 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚
Olona 6688 no nisitraka ny tetikasa Vatsin’Ankohonana tao amin’ny kaomina ambanivohitra Camp Robin. Vehivavy miisa 20 tao anatin’ireo no nivondrona tao anatin’ny VOndron’olona An-toerana miara-MAnao tahiry sy MIfampindram-bola na VOAMAMI Miara Miavotra. Maro ireo tombontsoa sy fiovaram-piainana azon’izy ireo indrindra ny teo amin’ny sehatry ny fihariana sy fambolena.
Nisy ny vokatra azo tsapain-tanana avy amin’ny voly mangahazo ara-teknika izay nazahoana 10kg isaky ny fototra ka 2.413 fototra no voavoly.
Notsidihina ihany koa ny « Sehatra mahasoa » izay toerana natao hivoriana, hifampizarana traikefa sy filalaovana ary fanaovana lakozia izay herim-pon’izy ireo no nanamboarana sy namolavolana azy.
Nisolo tena an-dRamatoa Minisitra SOAFILIRA Princia tamin’izany ny Talem-paritry ny Mponina ao Matsiatra Ambony niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny FID. Velom-pisaorana an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ary ny FID ireo mpisitraka noho ny fisian’ny tetik’asa ao amin’ny Faritra misy azy ireo.