𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 | 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐚
𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐭𝐬𝐢𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 | 𝐅𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐚
Notoloranan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mari-pahaizana ireo mpiofana miisa 4000 izay tafiditra anatin’ny fandaharan’asa fiahiana sosialin’ny Fitondram-panjakana « Asa Avotra » ao Fianarantsoa.
Ireo olona tra-pahasahiranana lalina vokatry ny covid19 no nisitraka izany. Ny Asa Avotra dia fanatanterahana asa iombonana toy ny lalana rari-vato, fanatsarana lalan-kely…
Ny tetikasa Asa Avotra dia tan-tsoroka avy amin’ny Fitondram-panjakana, arindran’ny Minisiteran’ny Mponina ary tanterahin’ny FID. Ny Banky iraisam-pirenena no isany mamatsy vola ao anatin’izany.