๐๐๐ฌ ๐๐ ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐๐๐ ๐ฃ๐๐ก๐๐ ๐๐๐๐๐๐ก๐ ๐๐ก๐๐๐ญ๐ฌ ๐๐ง๐ข ๐ ๐๐๐๐๐๐ฆ๐๐๐๐ฅ๐
๐๐๐ฌ ๐๐ ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐๐๐ ๐ฃ๐๐ก๐๐ ๐๐๐๐๐๐ก๐ ๐๐ก๐๐๐ญ๐ฌ ๐๐ง๐ข ๐ ๐๐๐๐๐๐ฆ๐๐๐๐ฅ๐
Notanterahana teto anivon’ny Ministeran’ny Mponina tao anatin’ny andro vitsivitsy ny dinidinika momba ny fandrosoan’ny asa voarakitra ao anatin’ny paikadim-pirenena amin’ny ady atao amin’ny fampanambadiana ankizy eto Madagasikara, izay niarahana tamin’ny delegasionin’ny Firaisambe Afrikanina sy ireo mpiantsehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fiarovana ny ankizy.
Tanjona ny hanamafy orina ny fanatanterahana ny asa voafaritra ao anatin’ny paikady. Nisy ihany koa ny fidinana ifotony nijerena ny zava-misy teny anivon’ny fiaraha-monina.
Nofaranana tamin’ny fanomezan’ny delegasionina sosokevitra ho fanamafisana ny ady atao amin’ny fampanam-badiana ankizy ny fihaonana.