ππ‘ππππ¬ π πππ¦π π―π¬π¬ π‘π’ π‘π’π§π’ππ’π₯ππ‘’π‘π¬ π ππ‘ππ¦ππ§π₯π¬ π‘π¬ π π£π’π‘ππ‘π π¦π¬ π‘π¬ π¦π’ππ’π‘π§ππ‘ππ‘’π‘π¬ π©ππππ‘’π‘π¬ ππππ’ππ π¦ππ‘π’π πππ‘ππ π£πππ‘π π¦π¬ πππππππ’
Amin’izao ankatokin’ny fanamarihana ny iray volana ho an’ny Ankizy izao dia nitsidika ny ivotoerana mitsinjo(seba) ao Isotry ny Mpiraki-drahara eo anivon’ny Masoivoho Sinoa monina eto Madagasikara.
Nandritra izany dia nanolorana fanampiana toy ny vary, menaka, savony, kidoro, lamba fitafy sy fitaovam-pianarana maro isan-karazany ary fizaham-pahasalamana maimaimpoana ireo fianakaviana monina ao.
Ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny Masoivoho Sinoa no nahafahana nanatanteraka izany.
Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo solontenan’ny vadin’ny Filohampirenena Andry RAJOELINA avy amin’ny fikambanana Fitia.