๐๐๐ฅ๐๐ง๐ฅ๐ ๐๐ก๐๐๐๐ ๐๐ก๐๐ ๐ก๐ข๐ ๐๐ฅ๐๐๐๐ก๐ ๐ง๐๐ง๐ข ๐๐ ๐๐ข๐๐๐๐ฅ๐๐ง๐ฅ๐๐ ๐ข ๐ก๐๐๐ฅ๐๐๐ ๐ง๐๐ ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐ ๐๐ก๐๐ฆ๐๐ง๐ฅ๐ ๐ฆ๐ข๐๐๐๐๐๐ฅ๐ ๐ฃ๐ฅ๐๐ก๐๐๐ ๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐ฅ๐ข ๐ ๐๐ก๐๐ฅ๐๐ก-๐ง๐๐ก๐ฌ ๐๐ข ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐ ๐ฃ๐ข๐ก๐๐ก๐
๐ญ๐ญ.๐ฌ๐ณ.๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฏ
๐๐๐ฅ๐๐ง๐ฅ๐ ๐๐ก๐๐๐๐ ๐๐ก๐๐
๐ก๐ข๐ ๐๐ฅ๐๐๐๐ก๐ ๐ง๐๐ง๐ข ๐๐ ๐๐ข๐๐๐๐ฅ๐๐ง๐ฅ๐๐ ๐ข ๐ก๐๐๐ฅ๐๐๐ ๐ง๐๐ ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐ ๐๐ก๐๐ฆ๐๐ง๐ฅ๐ ๐ฆ๐ข๐๐๐๐๐๐ฅ๐ ๐ฃ๐ฅ๐๐ก๐๐๐ ๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐ฅ๐ข ๐ ๐๐ก๐๐ฅ๐๐ก-๐ง๐๐ก๐ฌ ๐๐ข ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐ ๐ฃ๐ข๐ก๐๐ก๐
Amin’izao fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Mponina izao dia tomefy olona tao Ambohidratrimo niara-nankalaza izany tamin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny Distrika sy ny fikambanana Fitia sy AFF ary ireo mpiara-miombon’antoka miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny Mponina.
Niara-nanao diabe namakivaky ny tanร na ireo niaraka tamin’ny mponina avy amin’ny kaominina maro ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo mialohan’ny nanatanterahana ny lanonana.
Fauteuil roulant, tehana ho an’ny olona manana fahasembanana, bodofotsy ho an’ny zokiolona, kilalao ho an’ny ankizy miisa 400 mahery, fonosana ahitana voamaina sy tsaramaso ary savony no nozaraina nandritra izany. Nisy ihany koa ny fitsaboana maimaim-poana.
Notohizana tamin’ny fiaraha-misakafo sy mifety tamin’ireo olona tonga maro izany. Nanafana ny fiara-mifety ny artista Lego sy DJ Gouty ary nomena sehatra manokana ilay mpihira manana fahajambana Fabien.
Ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Mponina eto Madagasikara dia anisany hetsika enti-manatanteraka ny veliranon’ny Filoha Andry RAJOELINA ho fiahiana ny sosialin’ny mponina.
Ny mponina rehefa manerana ny Nosy ihany koa dia miara-mankalaza izao andro izao.