𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗧𝗦𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗔𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗢 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗠𝗕𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗜𝗥𝗔𝗬 𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗔𝗛𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗧𝗦𝗢𝗦𝗜𝗔𝗟𝗬
𝟮𝟳.𝟬𝟰.𝟮𝟬𝟮𝟯 – 𝟬𝟰.𝟬𝟱.𝟮𝟬𝟮𝟯
Tamin’ny alalan’ny atrikasa sy ady hevitra ary fitsidihana ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy no nanamarihana ny fiantombohan’ny 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 ao amin’ny faritra Atsinanana :
– herinandron’ny Haraton’aina
– varotra sy fampiratiana nataon’ireo mpisitraka sy ireo mpandraharaha
– dinidinika mahakasika ireo fandaharanasa ao amin’ny tetikasa haraton’aina
– dinidinika sy ady hevitra mahakasika ny “Régistre Sociale Unique” sy ny “Guichet Unique”
– resadresaka mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy arahin-datsakemboka…
Miisa 2000 mahery eo no nandray anjara ka nametra-panontaniana, nitondra fitarainana sy nizara ny fisalasalany ary nanome sosokevitra : mpianatra amin’ny anjery manontolo miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, tanora tsy an’asa, mpandraharaha, sefo fokotany, ireo tomponandraiki-panjakana, ny solotenan’ireo mpiaramiombon’antoka sy ireo Minisitera rahavavy.
Nitarika ny fotoana rehetra ny Sekretera Jeneralin’ny RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia izay nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Mitohy mandritry ny volana may sy ny tapan’ny volana jiona ny fanamarihana ny 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 ka anisany handray izany ny faritra Fitovinany, Anosy sy Atsimo Atsinanana ary Analamanga.