πππ₯ππ§π₯π πππ§π’π©ππ‘ππ‘π¬ π§π’πππ§π₯ππ‘π’ π πππ¦π π²π±π¬ π‘π’ π‘ππ¦ππ§π₯πππ π©ππ§π¦π¬ π§π¦ππ‘ππ’ π§ππ’ ππ ππ‘βπ‘π¬ πππ’π ππ‘ππ‘π π‘ππ π’π₯π’π‘π
Ho fitsinjovana ireo tokatrano marefo ara-pivelomana ao aminβny kaominina ambanivohitra Namorona dia tokatrano miisa 650 no nisitraka Vatsy Tsinjo avy aminβny aminβny fitondrampanjakana.
Nisy ihany koa lelavola izay natolotra anβireo vehivavy mivondrona ao aminβny fikambanana Viavy Miavotse mba anohanana azy ireo aminβny asa sahaniny andavanandro ka entiny ampivoarana ireo vehivavy namany.
Β Hiraky ny Filohampirenena Andry RAJOELINA ka nanatanteraka ity famangiana aminβny fomba malagasy ity ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ny Tale Jeneralinβny BNGRC notroninβireo manampahefana sivily sy miaramila ao aminβny faritra Fitovinany.