𝗙𝗮𝗺𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝘆
𝗙𝗮𝗺𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝘇𝘆
« Ankizy misitraka ny zony ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana »
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Minisiteran’ny Mponina Ambohijatovo ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy.
Didim-poitra faobe, fanamboarana kopia maimaimpoana, fifaninanana kabary sy slam ary sary no nentina nankalazana ny hetsika tamin’ity taona ity.
Nandritry ny lahateny dia nanamafy ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica fa ho atao manerana an’i Madagasikara ny kopia faobe ho fampisitrahana azy ireo ny zo-ny.
Nisaorany manokana ihany koa ireo ankizy nandray anjara sy ireo mpiara-miombonantoka toy ny Minisiteran’ny Serasera, ny Bianco, ny UNICEF
Ho marihina manokana eto Antananarivo ny fanolorana loka ho an’ireo ankizy niavaka tamin’ny fifaninana kabary sy sary ary slam.
# 𝗠𝗣𝗣𝗦𝗣𝗙 # 𝗠𝗦𝗞 # 𝗕𝗜𝗔𝗡𝗖𝗢 # 𝗨𝗡𝗜𝗖𝗘𝗙