𝗙𝗮𝗺𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮
𝗙𝗮𝗺𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮
Famindram-pitantanana telo sosona no natao teo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina ny 20 septambra 2021.
Noraisina tamin’izany :
– ny Sekretera Jeneraly vaovao Ramatoa Rakotonirina Miarisoa Patricia,
– ny Tale Jeneralin’ny Mponina Ramatoa Andriantsimilao Ando Firaisantsoa
– ary ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy Andriamatoa Rivomanana Tsarahita Ghisbert.
Samy naneho ny fahavononany hametraka tantara tsara ary anatanteraka ny andraikitra napetraka aminy izy ireo. Naneho fankasitrahana ihany koa an-dRamatoa Minisitra SOAFILIRA Princia sy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA noho ny fahatokisana nasehony tamin’ny fanendrena azy ireo.