𝗙𝗮𝗺𝗼𝗹𝗮𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗮𝘇𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮
𝗙𝗮𝗺𝗼𝗹𝗮𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗮𝘇𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮
Natomboka tao amin’ny Notre Dame du Cenacle Amparibe ny atrik’asa handinihana ny fanavaozana sy famolavolana ny lalàna na ny didim-panjakana mahakasika ny fananganan-jaza eto Madagasikara. Tanterahina mandritra ny telo andro ka mpikambana maro no mandrafittra ny vaomiera mandinika izao volavolan-dalàna izao ka anisan’izany ny Minisiteran’ny Mponina ka ny Tale Jeneran’ny Mponina Andriantsimilao Ando Firaisantsoa no misolo tena amin’izany.
Izao fikaonan-doha izao dia natao ho fanatsarana ny didim-panjakana ho fiarovana ny zo sy ny tombotsoan’ny zaza eto Madagasikara.