𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗡𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔 | 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 – 𝗜𝘀𝗼𝘁𝗿𝘆
Rehefa avy nanamboatra arovava orona an’arivony maro ireo vehivavy miisa 100 nandritry ny 16 andro dia noraisin’i Minisitry ny Mponina tao amin’ny toeram-piasany ao Ambohijatovo ary notolorany fisaorana manokana miaraka amin’ny marika ho fankasitrahana ny asa izay vitan’izy ireo.
Ny Minisiteran’ny Mponina sy ny ONG Direct’Aid no namatsy ireo fitaovana nampiasaina tao anatin’ny famokarana an’ireo arovava orona izay nozaraina maimaimpoana teto Antananarivo.
Mitohy ihany Koa io hetsika fanamboarana arovava orona io any Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana.