𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗡𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔 | 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 – 𝗜𝘀𝗼𝘁𝗿𝘆
Tovovavy 17 taona, hanala baccalauréat amin’ity taona ity i Mamy. Noho ny fahamaizan’ny tranon’izy ireo tamin’ity herinandro ity anefa dia naratra mafy izy ka manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao. Fianakaviana miisa 10 no niara-may fananana tamin’i Mamy tao Isotry.
Raha vao nahare izany ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica dia naniraka an’ireo mpiara-miasa aminy itondra fitaovana entina manampy ireo tra-boina.