𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗻𝗶𝗮
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗻𝗶𝗮
Amin’izao fankalazana ny iray volan’ny ankizy izao dia manatanteraka hetsika fanamboarana kopia faobe maimaimpoana ny fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Fitsarana.
150 ny ankizy nisitraka izany manerana ny Faritra Amoron’i Mania amin’izao fanombohany izao fa mbola ho avy ny andiany manaraka.
Araka ny fanamby napetraky ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica dia ho atao manerana ny Nosy ny kopia faobe ka isitraka izany ny ankizy Malagasy izay mbola tsy nahazo.