𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 | 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 𝗿𝗲𝗻𝗶𝘃𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 | 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 𝗿𝗲𝗻𝗶𝘃𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮
Amin’izao andron’ny asaramanitra izao dia tonga nanolotra vary, voa maina, siramamy, menaka, savony, arovava orona ary bodofotsy ho an’ireo fianakaviana sahirana monina ao amin’ny ivo-toerana mitsinjo (SEBA) sy akany fialofana (Ex-MADCAP) Isotry ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ny ONG SIF.
Tanjona ny afahan’izy ireo manao fetim-pirenena sambatra ao anaty vatana tomady.
Araky ny lahateny nataon’i Ramatoa Minisitra dia tsy maintsy ho karakaraina ny kopia an’ireo zaza mba afahan’izy ireo miditra an-tsekoly. Ezahina ihany koa mba tsy ho isy intsony ireo olona matory eny amoron-dalana.