๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ป๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ด๐ฎ | ๐๐ฎ๐ต๐ฎ-๐ญ๐ฌ ๐๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐๐๐๐๐ – ๐๐ถ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ-๐ฏ๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฒ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ
๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ป๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ด๐ฎ | ๐๐ฎ๐ต๐ฎ-๐ญ๐ฌ ๐๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐๐๐๐๐ – ๐๐ถ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ-๐ฏ๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฒ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ
Tao anatin’ny 10 taona dia faritra 19 eto Madagasikara no efa manana mpikambana ao amin’ny AFHAM. Fela RAZAFINJATO no filoha mitarika azy ka 600 mahery ireo vehivavy mikambana ankehitriny. Ny AFHAM no mandray an-tanana an’ireo vehivavy tra-pahasembanana amin’ny alalan’ny fiofanana, fandraisana an-tanana sy fihainoana ary toro-lalana.
Anisan’ny tanjon’ny fikambanana ny fampahaleovan-tena an’ireo vehivavy manana fahasembanana amin’ny alalan’ny fampanana asa.
Nanatrika ity lanonana ity ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia. Nandritry ny lahateniny no nanamafisany fa adidin’ny Minisiteran’ny Mponina ny miahy an’ireo olona manana fahasembanana ka vonona tanteraka ny Minisitera sahaniny ny hanohana amin’ny torohevitra sy amin’ny fampivoarana ary ny fitandrovana ny zon’izy ireo.