𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 | 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮 𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 | 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮 𝗔𝘃𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮
Nifanakalo hevitra tamin’ireo tomponandraiki-mpanjakana sy fikambanana ao Mananara ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica nandritry ny fandalovany tao an-toerana.
Voaresaka nandritra izany :
– ny fanajana ny zon’ireo olona manana fahasembanana sy ireo vehivavy voafonja
– ny fananganana ny Lapan’ny vehivavy izay toerana ifaneraseran’izy ireo
– ny fananganana ny biraon’ny Sampandraharaha misahana ny mponina izay ho atomboka afaka andro vitsivitsy
– ny fanantenan’izy ireo ny amin’ny fanamboran-dalana sy ny fanamarinan-toerana ny vidin’ny vokatra lavanila.
Nanamafy ireo nandray fitenenana ny mba itodian’ny mason’ny mpitondra fanjakana ho ao Mananara tahaky ny natao tany Atsimo vao tsy hela mba tsy hamiratra ihany koa i Mananara sy ny manodidina.
Amin’izao fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Mponina izao dia nanamafy ny Minisitra ny amin’ny maha zava-dehibe ny fandrindram-piterahana izay ilaina amin’ny frandrindrana ny firafitry ny Mponina.