𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 | 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗙𝗲𝗻𝗼𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼-𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 | 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗙𝗲𝗻𝗼𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼-𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮
Mandritran’izao iray volan’ny Ankizy Afrikaninana izao, dia nanantareka lohabaran-dasy momba ny « fiarovan’ny Ankizy » teto amin’ny OASIS Fenoarivo-Atsinana, izay notarihin’ny Tale Jeneraly misahana ny Mponina sy solontenan’ny Misiteran’ny Fitsarana.
Tonga nanome voninahitra izany ireo Tomponandraikitra sivily sy Miaramila ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Tao anatin’ny adihevitra dia maro ireo soso-kevitra nivoitra ka niara-nanapaka sy nanao sonia ny rehetra fa ho atao « Engagement Régionaux » ny hevitra tapaka mba ho fiarovana ny Ankizy.
Ireo rehetra ireo no narahina didi-potra sy fanaovana kopia faobe izay ho tanterahina manerana ny Nosy.