๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ป๐ผ๐๐ | ๐๐บ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐๐ฎ๐ฟ๐ ๐๐๐๐ถ๐บ๐ผ – ๐๐ฎ๐ผ๐บ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ ๐ฎ๐ต๐ฎ๐น๐
๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ป๐ผ๐๐ | ๐๐บ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐๐ฎ๐ฟ๐ ๐๐๐๐ถ๐บ๐ผ – ๐๐ฎ๐ผ๐บ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ ๐ฎ๐ต๐ฎ๐น๐
Tany mahavokatra ny ao amin’ny fokontany Amboangy fa noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny rano dia misedra ny kere ihany koa izy ireo. Anisany nisitraka fizarana sakafo ihany koa izy ireo miampy lelavola izay natolotra an’ireo fikambanam-behivavy.
Nanentana ny Minisitry ny Mponina ny amin’ny
– fampidirana ireo ankizy an-tsekoly ;
– fampitsaharana ny fampiasana ireo zaza tsy ampy taona amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ;
– fampitsaharana ny fandefasana ireo zatovovavy hanambady aloha loatra ;
– fanaovan’ireo vehivavy ny fandrindram-piterahana ka ireo lehilahy mba hanaiky izany ihany koa.
Nampanantena izy fa ho atao afaka fotoana fohy ny Tranon’Ampela izay toerana afahan’ireo vehivavy mifanakalo hevitra sy mamolavola tetik’asa enti-mivoatra.
Nanamafy ireo tomponandraikitra ao an-toerana fa voalohany amin’ny tantaran’ny Kaomina Mahaly no nisy Minisitra sahy nitsidika noho ity faritra ity izay voakilasy ho mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana.