𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 | 𝗧𝗼𝗯𝘆 𝗙𝗟𝗠 𝗔𝗻𝗸𝗶𝗹𝗶𝘃𝗮𝗼
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 | 𝗧𝗼𝗯𝘆 𝗙𝗟𝗠 𝗔𝗻𝗸𝗶𝗹𝗶𝘃𝗮𝗼
Olona manana fahasembanana ara-tsaina sy ny fianakavian’izy ireo no mitoby ao amim’ny FLM Ankilivao.
Nanainga tongotra namangy azy ireo ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica itsidika ity toerana ity. Amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana no nanolorany lelavola sy sakafo ho an’ireo olona ao amin’ny Toby ho fanohanana azy ireo.
Nanambara ny Pasitera mpitarika fa voalohany tao anatin’ny 50 taona nisian’ny Toby no nisy Minisitra mitsidika an’ity toerana ity.
Nanome toky ny Minisitry ny Mponina fa hanampy azy ireo amin’ny fananganana ny Tranom-piangonana izay iarahany amin’ny Governora sy ny Solombavambahoaka eto an-toerana.