𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 | 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗜 𝗞𝗮𝗹𝘆 𝗧𝘀𝗶𝗻𝗷𝗼
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 | 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗜
𝗞𝗮𝗹𝘆 𝗧𝘀𝗶𝗻𝗷𝗼
Ho fanamarihana ny famaranana ny Kaly Tsinjo teto Toamasina izay nisitrahan’ny vahoaka miisa 2000 isanandro sakafo ara-pahasalamana tamin’ireo toerana 10 manerana ireo boriborintany 5 ao Toamasina dia notolorana mari-pankasitrahana ireo mpiara-misalahy nahalavorary izany. Ramatoa Rova Rabetaliana, Tale Jeneralin’ny Fampivoarana ny Vehivavy no nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Mponina MICHELLE Bavy Angelica izay notronin’ireo manam-pahefana tao an-toerana.
Nanampy an’ireo mpikarakara sakafo iditra amin’ny sehatry ny matianina ny fikarakarana ny Kaly Tsinjo tao anatin’ny 3 volana.
Ireo rehetra ireo dia tafiditra ao anatin’ny Velirano faha-6 |Asa mendrika ho an’ny rehetra| sy faha-8 |Ny vehivavy sy ny tanora Malagasy tratry ny ho avy|
Mbola mitohy ny Kaly Tsinjo ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Atsimo Andrefana.
#MPPSPF #KALY_TSINJO #VELIRANO6 #VELIRANO8