๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ฒ๐ป๐ | ๐ ๐ฎ๐ท๐๐ป๐ด๐ฎ ๐๐, ๐ ๐ฎ๐๐ผ๐บ๐ฏ๐ผ๐น๐ ๐๐ ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ผ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐ป๐๐ฒ๐น๐ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐ฎ๐ผ ๐๐บ๐ฏ๐ผ๐๐ผ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฒ๐๐
๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ฒ๐ป๐ | ๐ ๐ฎ๐ท๐๐ป๐ด๐ฎ ๐๐
๐ ๐ฎ๐๐ผ๐บ๐ฏ๐ผ๐น๐ ๐๐ ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ผ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐ป๐๐ฒ๐น๐ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐ฎ๐ผ ๐๐บ๐ฏ๐ผ๐๐ผ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฒ๐๐
Vehivavy mpamokatra tantely avy ao Ambovondramanesy no nisitraka fitaovana famokarana tantely izay natolotry ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica.
Fiovana eo aminโny fomba famokarana no entinโity famatsiana fitaovana. Raha barika no nampiasanโizy ireo iompiana tantely nandritry ny taona maro, manomboka eto kosa dia tranon-tantely manaraka fenitra no enti-mamokatra.
Nampanantena ireo vehivavy nisitraka izany fa ho tsara sy ho betsaka kokoa ny vokatra manomboka eto.
Nisy ihany koa ny masom-boly nomena anโireo fikambanam-behivavy ireo afahany miary aminโny seha-pambolena.
Tonga nanotrona azy taminโizany ny Governoranโny Faritra Boeny Mokhtar Salim miaraka amin’ireo manampahefana sivily sy miramila.