𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗜𝘁𝗮𝘀𝘆 | 𝗦𝗼𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗜𝘁𝗮𝘀𝘆 | 𝗦𝗼𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮
Ho fanamarihana ny iray volan’ny Ankizy dia nisitraka didi-potra faobe ihany koa ireo zaza ao amin’ny Distrikan’i Soavinandriana tahaka ireo faritra maro eto Madagasikara.
Nandritra izany dia nizarana kilalao sy biscuit ary malabary izy ireo ka ny Fitaleavam-paritry ny Mponina, ny Solombavambahoaka voafidy teo an-toerana sy ireo olo-manan-kaja maro no niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany.
Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana no nahafahana nanatenateraka izao didim-potra faobe maimaimpoana izao. Ny zaza vita didim-poitra dia manana tombony ara-pahasalamana araky ny filazan’ny mpitsabo.
Ankizy maro manerana ny Nosy no mbola hisitraka izany mandritry ny volana jona sy jolay.