𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗻𝘆 | 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 𝗞𝗮𝗹𝘆 𝗧𝘀𝗶𝗻𝗷𝗼
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗻𝘆 | 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮
𝗞𝗮𝗹𝘆 𝗧𝘀𝗶𝗻𝗷𝗼
Ho fanamarihana ny famaranana ny Kaly Tsinjo teto Fianarantsoa izay nisitrahan’ny vahoaka miisa 1500 isanandro sakafo ara-pahasalamana tamin’ireo toerana 15 tao Fianarantsoa dia notolorana mari-pankasitrahana ireo mpiara-misalahy nahalavorary izany. Andriamatoa TODIZAKA Davy Romaric, mpanolotsaina ara-tekinika, no nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Mponina MICHELLE Bavy Angelica izay notronin’ireo manam-pahefana tao an-toerana, izay notaritiny solombavambahoaka Andriamatoa RAVELOSON Guillaume.
Nanampy an’ireo mpikarakara sakafo iditra amin’ny sehatry ny matianina ny fikarakarana ny Kaly Tsinjo tao anatin’ny 78 andro.
Ireo rehetra ireo dia tafiditra ao anatin’ny Velirano faha-6 |Asa mendrika ho an’ny rehetra| sy faha-8 |Ny vehivavy sy ny tanora Malagasy taratry ny ho avy|
Mbola mitohy ny Kaly Tsinjo ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana.