๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐ ๐ฒ๐ป๐ฎ๐ฏ๐ฒ | ๐๐ฎ๐ป๐ธ๐ฎ๐น๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐ญ๐ผ๐ธ๐ถ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ
๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐ ๐ฒ๐ป๐ฎ๐ฏ๐ฒ | ๐๐ฎ๐ป๐ธ๐ฎ๐น๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐ญ๐ผ๐ธ๐ถ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ
Tamin’ny alalan’ny filaharambe, dinidinika narahina adi-hevitra mahakasika ny fifandraisan’ny tanora sy ireo Zokiolona, noravahina hira sy dihy ary fanentanana isankarazany no nanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zokiolona tao amin’ny Faritra Menabe.
Nisy ihany ary ny fizarana loka sy ny zava-mamy sy ny fanaovana vaksiny faobe. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ho an’ireo izay nanatrika rehetra ny fotoana ka Osy miisa 6 sy akoho 15 no no natolotra ho nofonkena mitam-pihavanana.
Tsy vanimpotoana hanilihina ny zokiolona akory ny fahanterana.