𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗼𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝘆 | 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗿𝗮
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗼𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝘆 | 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗿𝗮
ACTP – Asa Avotra Mirindra
Notanterahina tao amin’ny kaominina Vohimasina, Distrikan’i Manakara ny Tsatok’angady ho fanamarihana ny fanombohana ny tetik’asa Asa Avotra Mirindra. Tokantrano miisa 731 izay miparitaka amin’ireo Fokontany 5 any an-toerana no hisitraka ny fandaharan’asa amin’ity andiany faha 11 ity.
Tonga nanotrona izany ny teo anivon’ny Fitalevam-paritry ny Mponina ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy ny Solontenan’ny FID.
Tamin’izany no nampahafantarana an’ireo mpisitraka ny anjara andraikitry ny Minisiteran’ny Mponina mahakasika ny tetik’asa sy nanentanana azy ireo ny hanohizana ny ezaka sy fikarakarana ireo vokatra azo tamin’ireo asa vita teo aloha.