𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗼𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝘆 | 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗜𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗼𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝘆 | 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗜𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮
Tra-boina miisa 800 vokatry ny hai-trano tao amin’ny Fokontany Andranomaintso no nisitraka tohana avy amin’ny fitondram-panjakana. Nidina ifotony ary nitondra fanampina ho azy ireo ny Praminisitra NTSAY Christian, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly RAKOTONIRINA Richard ary ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Fitaovam-pianarana, fanafody, lamba firakotra sy fitafy ho an’ny olon-dehibe sy zazakely, vary sy sakafo isan-karazany, koveta, siny, tafo fanitso ary fitaovana fampiasa an-dakozia no natolotra tamin’izany. Tsy diso anjara ihany koa ireo fikambanam-behivavy izay notoloran-dRamatoa Minisitry ny Mponina lelavola izay entin’izy ireo mihary.