𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗼𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝘆 | 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝘆
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗼𝘃𝗶𝗻𝗮𝗻𝘆 | 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗷𝗮𝗿𝘆
Trano miisa 252 no kilan’ny afo tao amin’ny fokontany Masindrano. Olona 997 no tra-boina vokatr’izany.
Nandefa iraka ny fitondram-panjakana izay tarihin’i Filoha Andry Rajoelina ka tonga teto an-toerana ny Minisitry ny Paositra, ny solon-tenan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ary ny Minisitry ny Mponina.
Vary, kojakoja andakozia, akanjo, fitaovam-pianarana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea no natolotra ho fanohanana ireo tra-boina.
Nanolotra vahaolana lavitr’ezaka ny Minisitry ny Mponina ka atao tetikasa ny fananganana trano fandraisana ireo tra-boina ho fisorohana ny hain-trano izay mitranga isan-taona ao Masindrano. Nampanantena ny Ben’ny Tanàna sy ireo Tomponandraikitra ao an-toerana ny amin’ny fanomezana tany ao Marofinaritra.
Nitondra teny fankasitrahana ho an’ireo rehetra tonga nitondra tolo-tanana ny Solombavambahoakan’ny Mananjary.