𝗙𝗮𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗜𝘁𝗮𝘀𝘆 | 𝗙𝗶𝘁𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗖𝗘𝗖𝗝 𝗠𝗶𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼
𝗙𝗮𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗜𝘁𝗮𝘀𝘆 | 𝗙𝗶𝘁𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗖𝗘𝗖𝗝 𝗠𝗶𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼
Notokanana ny Ivon-toerana fihainoana sy fandraisana an-tanana ary fanomezana torolalana ho an’ireo niharan’ny herisetra. Lanonana izay notarihin’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta nahitana ny Minisitry ny Mponina, ny Minisitry ny Asam-panjakana ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria.
Tamin’ny lahateny nataony no nanentanan-dRamatoa Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny vahoaka ao an-toerana mba ho sahy hitoroka raha misy trangana herisetra, nambarany ihany koa fa raha resy ny herisetra dia hanjaka ny fitiavana satria ny fitiavana no lehibe indrindra.