๐๐ถ๐ต๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐๐ฎ๐๐ฎ ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ผ๐๐ ๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ธ๐ฎ๐ป๐ ๐ฆ๐ฎ๐ถ๐ป๐๐ฒ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐น๐น๐ฒ, ๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ฒ๐ป๐ | ๐ ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ท๐ฎ๐ป๐ด๐ฎ ๐
๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ฒ๐ป๐ | ๐ ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ท๐ฎ๐ป๐ด๐ฎ ๐
๐๐ถ๐ต๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐๐ฎ๐๐ฎ ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ผ๐๐ ๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ธ๐ฎ๐ป๐ ๐ฆ๐ฎ๐ถ๐ป๐๐ฒ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐น๐น๐ฒ
Zaza narian-dray aman-dreniny sy zaza kamboty ary zaza tsy misy mpiahy no beazina ao aminโny Akany Sainte Famille Ambohimandamina. Ny vokatra azo avy aminโny fambolena sy ny fiompiana ataonโizy ireo ihany ataony sakafo miampy ireo karazana fanampiana izay azony. Ireo zaza kosa dia mipetraka ao aminโny Akany ary mianatra any aminโny sekolinโny Masera.
Ho fanohanana azy ireo dia nitondra vatsy ara-tsakafo sy fitaovana maro ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica notroninโny Governora Mokhtar Salim sy ireo manampahefana ao an-toerana. Nanome toky azy ireo ny Minisitry ny Mponina fa tsy ho avelany irery izy ireo.