𝗦𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 | 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝟱𝟬𝟬 𝗺𝗮𝗵𝗲𝗿𝘆 𝗻𝗼 𝗺𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮
𝗦𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 | 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝟱𝟬𝟬 𝗺𝗮𝗵𝗲𝗿𝘆 𝗻𝗼 𝗺𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮
Tao amin’ny Ankany fialofana Madcap no notanterahin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpiara-miasa aminy ny andiany faharoa amin’ny fizarana vary ho an’ireo olona marefo ara-pivelomana.
Tokatrano miisa 196 ahitana olona maherin’ny 500 izay nahitana zokiolona 32, olona manana fahasembanana 10 ary ankizy tsy misy mpiahy 22 no nisitraka ny tohana.
Nanamafy ny Minisitra fa ho atao mandavan-taona ny hetsika ho fitsinjovana ireo mponina tena marefo.