𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗚𝗼𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗦𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗮𝘃𝗮𝗺𝗯𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮
𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗚𝗼𝘃𝗲𝗿𝗻𝗲𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗦𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗮𝘃𝗮𝗺𝗯𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny CCI Ivato ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka.
Nitarika ny fivoriana Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine, Filohan’ny Antenimierampirenena ary Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra kosa no nitarika ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Io no fotoana nahafahan’ny Solombavambahoaka nametraka fanontaniana, nanao fanamarihana sy nanakiana ary nankasitraka ny asa vitan’ireo Minisitra.
Nanolotra ny valiny ho an’ireo fanontaniana napetraka taminy ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica.