𝗙𝗶𝗹𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗹𝗲𝗮𝘃𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮.
𝗙𝗶𝗹𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗹𝗲𝗮𝘃𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮.
Tanteraka tao amin’ny biraon’ny Minisiteran’ny Mponina nandritry ny 2 andro ny filan-kevitra nifampizarana ireo sosokevitra entina mandamina ny asa eo anivon’ireo fitaleavam-paritra manerana ny Nosy.
Nampanantena ny Minisitra SOAFILIRA Princia ny iaraha-misalahy amin’ireo Talem-paritry ny Mponina amin’ny fampandrosoana izay nampanantenain’i Filoham-pirenena ho an’ny vahoaka Malagasy.
Velom-pankasitrahana ireo Talem-paritra 22 ary naneho ny fahavononan’izy ireo ny amin’ny fiaraha-miasa akaiky sy ny fanohanana ny Minisitry ny Mponina amin’ny andraikitra miandry azy.