๐๐ข ๐๐๐ง๐ฆ๐๐ก๐๐ข๐ฉ๐๐ก๐ ๐๐ฅ๐๐ข ๐ ๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฅ๐ข๐ง๐ฅ๐ ๐๐๐ ๐ง๐ฆ๐๐ก๐ ๐ง๐๐๐ข ๐ก๐ข ๐๐ข ๐๐ง๐ฆ๐๐ก๐๐๐ก๐ ๐๐ข ๐ ๐๐ก๐๐๐๐ฅ๐ ๐ฆ๐ฌ ๐๐๐ฅ๐๐๐๐ก๐๐๐ก๐ ๐๐ฅ๐ฌ ๐ ๐๐ก๐๐ก๐๐๐ฅ๐ฌ
๐ฌ๐ฎ.๐ฌ๐ด.๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฏ
๐๐๐ฅ๐๐ง๐ฅ๐ ๐ฉ๐๐ง๐ข๐ฉ๐๐ฉ๐ฌ
๐๐ข ๐๐๐ง๐ฆ๐๐ก๐๐ข๐ฉ๐๐ก๐ ๐๐ฅ๐๐ข ๐ ๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฅ๐ข๐ง๐ฅ๐ ๐๐๐ ๐ง๐ฆ๐๐ก๐ ๐ง๐๐๐ข ๐ก๐ข ๐๐ข ๐๐ง๐ฆ๐๐ก๐๐๐ก๐ ๐๐ข ๐ ๐๐ก๐๐๐๐ฅ๐ ๐ฆ๐ฌ ๐๐๐ฅ๐๐๐๐ก๐๐๐ก๐ ๐๐ฅ๐ฌ ๐ ๐๐ก๐๐ก๐๐๐ฅ๐ฌ
Tontosa ny fametrahana vato fototry ny tsena tao Tanambao Mananjary izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny OIM ary vatsian’ny masoivon’i firenena japonais vola. Iray aminโireo tsena ho apetraka ihany ny any Manajary satria tsena amin’ny toerana 3 no ho hatsangana: Manakara, Mananjary ary Farafangana.
Olona 5000 no hisitraka sy hivarotra eo aminโireo tsena ireo ka 4000 amin’ireo dia ireo olona voatery nifindra monina noho ny rivodoza Batsirai sy Emnati, ny 1000 kosa dia ireo olona avy eo an-toerana ihany.
Tanjona ny hanampiana ireo olona hiarina eo amin’ny lafiny ara-tsoasialy sy ara-toekarenana, izay tafiditra ao anatin’ny tetik’asa SOREBE.
Roa volana no fe-potoana hananganana ny tsena. Ny fanivanana an’ireo olona 5000 hisitraka an’izany dia iarahan’ny Minisiteran’ny mponina sy ireo tomponandraikitra eny an-toerana ary ny OIM.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, ho fanomezam-boninahitra izany, ny Sekretera Jeneraly RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia.