๐๐ฅ๐๐ฌ ๐ฉ๐ข๐๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐๐ญ๐ฌ ๐๐๐ง๐ฆ๐๐๐ ๐ฆ๐๐๐๐๐ข ๐ ๐๐ฅ๐ข ๐๐ข๐๐ข ๐๐ข ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐๐ญ๐ฌ
๐๐ฅ๐๐ฌ ๐ฉ๐ข๐๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐๐ญ๐ฌ
๐๐๐ง๐ฆ๐๐๐ ๐ฆ๐๐๐๐๐ข ๐ ๐๐ฅ๐ข ๐๐ข๐๐ข ๐๐ข ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐๐ญ๐ฌ
Amin’izao fankalazana ny iray volan’ny ankizy izao dia nanatanteraka hetsika tao amin’ny kianja manara-penitra tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahitsy ny Minisiteran’ny Mponina sy ny ONN.
Niompana tamin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalaman’ny ankizy ny hetsika natao narahina kilalao maro isan-karazany.
Nisongadina nandritra izany ny fanentanana mahakasika ny sakafo ara-pahasalamana hahafahan’izy ireo miatrika ny zo sy adidiny toy ny mianatra, milalao, sns….
Nitarika ny fotoana, nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, ny Tale Jeneralin’ny Mponina RAKOTONDRAINIBE Andry.
ยซย Antoky ny ho avy mamiratry ny ankizy, ny anioย ยป