𝗠𝗔𝗗𝗖𝗔𝗣 𝗜𝘀𝗼𝘁𝗿𝘆
F𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗡𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔
𝗠𝗣𝗣𝗦𝗣𝗙/𝗠𝗔𝗗𝗖𝗔𝗣 𝗜𝘀𝗼𝘁𝗿𝘆
Taorian’ny fanentanana nataon-dRamatoa Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ireo mpiara-miasa amin’ny nandritry ny fizarana bodofotsy tamin’ireo olona tsy manan-kialofana dia maro tamin’izy ireny no tonga nanantona ny ivotoerana 𝗠𝗮𝗱𝗖𝗮𝗽 𝗜𝘀𝗼𝘁𝗿𝘆.
Araky ny nampanantenaina azy ireo dia namendraka fanafody sy nanadio ny toerana fandraisana azy ny Minisiteran’ny Mponina izay narahina fizarana vary sy voamaina ho azy.
Ny Minisiteran’ny Mponina dia manentana ny eny anivon’ny fokontany mba hamporisika ireny olona tsy manan-kialofana ireny hamonjy ny 𝗠𝗮𝗱𝗖𝗮𝗽 𝗜𝘀𝗼𝘁𝗿𝘆, toerana ahafahan’izy ireo misitraka sakafo mafana sy matory. Efa misy ihany koa ny toerana afahana mamboly sy miompy ho an’ireo izay vonona ny ho amin’izany.