๐ ๐๐ฆ๐๐ง๐ฅ๐๐๐ ๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐ข๐๐ข๐ก๐๐ก๐ ๐ ๐๐๐ง๐ฅ๐๐๐ ๐๐ฅ๐๐ข ๐ง๐ข๐๐๐ง๐ฅ๐๐ก๐ข ๐ ๐๐ฅ๐๐๐ข ๐๐ข ๐๐ก๐ง๐ฆ๐๐ฅ๐๐ก๐๐ก๐
๐ ๐๐ฆ๐๐ง๐ฅ๐๐๐ ๐ก๐ฌ ๐๐ก๐๐ข๐๐ข๐ก๐๐ก๐ ๐ ๐๐๐ง๐ฅ๐๐๐ ๐๐ฅ๐๐ข ๐ง๐ข๐๐๐ง๐ฅ๐๐ก๐ข ๐ ๐๐ฅ๐๐๐ข ๐๐ข ๐๐ก๐ง๐ฆ๐๐ฅ๐๐ก๐๐ก๐
Tokatrano marefo miisa 15 000 ao amin’ny tanร nan’i Antsiranana no isitraka ny Ankohonana Miatrika amin’ity taona 2023 ity. Tantsoroka ara-bola mitentina 250 000Ar no sitrahin’ireo tokatrano voafantina ahazo izany.
Ny Ankohonana Miatrika dia fandaharanasan’ny Governemanta malagasy ho fiahiana ireo mpiara-belona marefo noho ny fiakaran’ny vidim-piainana ary hanohanana ny fianaran’ny ankizy.
Ho an’ny Antsiranana dia ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA no nisantatra ny fizarana izany ho an’ireo mpisitraka. Nanotrona azy tamin’izany ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ireo tomponandraikitra maro ka anisan’izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpiara-miasa aminy.